HAFATRA HO AN’NY FANJAKANA MALAGASY 06.09.2015

12/09/2015 19:18

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Par JJA - 06.09.2015

 

CLEFS DU FUTUR MADAGASIKARA ( Planin’ANDRIAMANITRA ho an’i Madagasikara )

 

HAFATRA HO AN’NY FANJAKANA MALAGASY

 

Voninahitra ho an’i KRISTY TOMPO ilay Andriamanitra lehibe ho an’ny tany sy ny lanitra.

Izaho ANDRIANAIVO Jean Jacques  (Mitarika ny clefs du futur  eto  Madagascar)izay mitondra ny teny sy mampita ny hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny Fanjakana Malagasy dia manome izao hafatra izao ho antsika mpitondra sy manampahefana rehetra , na sivily na miaramila.

Ny Clef du futur Madagasikara dia rantsana iray ao amin’ny Clef du futur France – Afrique  izay tarihin’i Mme SYLVIE LOTRUIT ilay  mpitondra ny teny sy fampianarana avy amin’ny KRISTY amin’izao fotoanaizao.

Izahay Groupe Paysans de Madagascar dia mifandray sy manao ny asan’i KRISTY  ARAKA NY BAIKO SY DIDIN’ I KRISTY ho fanantaterahana ny planin’Andriamanitra ho an’i Madagasikara.

Ny hafatra ho an’ny FANJAKANA MALAGASY SY NY VAHOAKA AO AMINY :

  • Ny fanantarehena ny FIRAISANKINA ny FANJAKANA – VAHOAKA – MIARAMILA
  • Ny fananganana ny ady amin’ny kolikoly sy ny haratsiana rehetra eto Madagasikara
  • Ny FAMETRAHANA NY LALANA FAHAMARINANA – RARINY – HITSINY ao anaty ny Fitiavana – ny Tsara – ny Mendrika ho amin’ny fananganana firenena manaja sy mankatoa an’i KRISTY.
  • Ny fametrahana ny «  LOI  JUSTE SANS CONCESSION » - «  LOI DE BIEN – BON – VRAI »

Ireo rehetra ireo dia araka ny fifandraisan’ny Firenena Malagasy sy ny Tantara hifandraisany amin’ANDRIAMANITRA efa fahagola.

Ny Clef du futur Madagascar dia efa nandefa sy nanome ireo hafatra maro ho antsika mpitondra fanjakana nandritra ny  fotoana maro ho famporisihina sy fankaherezana ny Fanjakana amin’ny andraikitra lehibe hiantsorohany ho fampijorona ny Firenena Malagasy.

Izahay dia : MANOME TOROHEVITRA SY FANKAHEREZANA NY FANJAKANA MALAGASY ;

Manao ny vavaka ho fampiraisana ny Firenena Malagasy sy ny vahoaka ao aminy miaraka amin’ireo Mpitondra.

Mandefa sy mizara ny torohevitra avy amin’ny KRISTY TOMPO sy ireo Mpampianatra ; Maitre Saint GERMAIN ho amin’ny fitondrana ny fanjakana .

Mandray ireo fanotaniana samihafa avy amin’ny mpitondra fanjakana  ho hampitaina amin’ i Kristy tompo na ireo Maitres de la sagesse na ho an’i SYLVIE LETROUIT présidente Clef du Futur.

Manoratra izao taratasy izao ho anareo izaho mba ho fankaherezana sy fanomezana toky ho anareo fa miasa ho amin’ny  FAMETRAHANA FANJAKANA MIFOTOTRA amin’ny FINOANA SY FANAJANA sy FANKATOHAVANA an’i KRISTY IZAHAY ARY HANAMPY SY HIKATSAKA MANDRAKARIVA NY  FIFANKATIVANA SY FIRAISANKINA MALAGASY.Raiso tompoko ny haja ambony hatolotray anareo.

FITIAVANA – FAHAZAVANA – FIRAISANKINA

NB : Efa nandefa hafatra tamin’ny Praiminisitra – HCC – Ny Filoha HERY Rajaonarimampianina – Minisitra FOLOHALINDAHY – Minisitra Fifandraisana sy serasera

Site web : clefsdufutur-france-afrique